Manara-maso akaiky ny fiatrehana ny fifidianana tahaka ny efa nataony ny eo anivon’ny Vaomieran’ny fanaraha-maso ny famatsiam-bola sy ny fiainana politika (CCFVP). Nitondra ny sosokeviny izy ireo amin’izany.
“Tsy mpanao lalàna sy tsy mpanao politika ny CCFVP, fa mpampihatra lalàna amin’ny fiainana politika. Anisan’ ny sosokevitray voalohany dia hoe: tokony tsy azo raisina ny firotsahan-kofidin’ny kandidà iray rehefa tsy manendry mpitambola”. Io ny fanazavan’ny filohany i Milijaona Rado, teny Anosy, omaly, momba ny fitantanam-bolan’ny kandidà amin’izao fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao.
Teren’ny lalàna ny fanendrena mpitambola sy fitanana bokim-bola mirakitra ny fiaviana sy ny fandaniana ny vola ampiasainy amin’ny fiainana politika sy ny fampielezan-kevitry ny kandidà amin’ny fifidianana. Voafaritra mazava tsara fa enim-bolana mialoha ny fifidianana no manomboka mitana ny volany sy izay vola mivoaka amin’ny fampielezan-kevitra ireo kandidà rehetra. Na tsy mbola mivoaka ofisialy aza ny tetiandrom-pifidianana ny amin’ny fandrotsahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina amin’izao fotoana izao, tsy ho ela dia hitana an’izany ny kandidà.
Mila fanapahan-kevitra politika
“Efa nolazainy ombieny ombieny ny hoe ilàna fahavononana sy finiavana ny politikam-panjakana toy io. Tena vonona ve isika hampiseho ny mangarahara amin’izay hoe: avy aiza no niavian’ny vola ary inona avy no nandaniana ny vola? Mba tsy hilazako hoe nankaiza ny ambin’ny vola?”, hoy izy. Ao anatin’izany, vonona ve ny mpanao politika sy ny kandidà ary ny rehetra hiditra amin’izay? Izay no hita hoe tsy ampy amin’ny fiatrehana fifidianana. Raha ny sosokevitra amin’ny lafiny teknika, maro be no efa natolotry ny vaomiera. Fa ny fanapahan-kevitra politika no tsy maintsy hirosoana, satria famatsiam-bola ny fiainana politika no resahina.
Nefa ao anatin’izay, ny lalàna velona amin’izao fotoana izao: tsy mametra ny vola farany be indrindra azo ampiasaina amin’ny fampielezan-kevitra, tsy mametraka koa izay sazy ho an’ny kandidà tsy manana mpitambola sy fitanana bokim-bola momba ny fiaviana sy ny fandaniam-bola amin’ny fampielezan-kevitra. Telo volana aorian’ny fivoahan’ny voka-pifidianana no manolotra ny fitantanam-bola amin’ny CCFVP ny kandidà rehetra.
R. Nd.