Miadana Fabien Privat: “Mitarika andraikitra ny tsy fahatokisana ny Ceni”

Hatramin’izao, misy hatrany ny tsy manaiky na tsy matoky ny fikarakaran’ny Ceni ny fifidianana. Hanao ahoana? Maneho ny heviny ny tomponandraikitra amin’ny fanetsehana fiarahamonina sy olom-pirenena eo anivon’ny ONG Tolotsoa, i Miadana Fabien Privat: “Tsy hoe tenenina fotsiny ny tsy fahatokisana, fa mitarika andraikitra.” Dinidinika…

Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy amin’izao?
Miadana Fabien Privat (-): Raha ny fomba fiasa nanomboka ny 1 oktobra 2022 ha­tramin’izao famoahana lisitra vonjimaika izao, tokony hahazo fahombiazana. Nisy ny mpanisa mpifidy nitety trano, teo ny fandraisana ana­rana teny anivon’ny fokon­tany. Ny serasera amin’ny fanentanana mpifidy eo amin’ ny tomponandraikitra amin’ ny fanisana mpifidy no hita ho misy tsy ampy.
Amin’izao, efa mivoaka ny lisitra vonjimaika, nefa mbola misy olom-pirenena tsy mahay manavaka ny fa­navaozana isan-taona (Ral) sy ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Misy voasoratra teo aloha ka tsy misoratra intsony. Mieritre­ritra izy amin’izao fa nesorin’ ny Ceni ao anatin’ny lisitra. Izay manana soson’ny takelaka fisoratana anarana no latsaka tamin’ny fandrake­tana tamin’ny ordinatera, na misy fahadisoana, ohatra, ny anarana na laharan-karapanondro dia sarotra ny mitady azy. Na ny fitsirihana nataon’ ny OIF aza, nahita hoe misy lesoka tamin’ny fandraiketana an-tsoratra ny lisitra.

* Ahoana ny amin’ny mpanao politika sasany mitaky ny hanitsiana ny lalàm-pifidianana?
– Tany amin’ny 2013 no nanomezana sosokevitra hoe tsy atao lalàna fehizoro fa atao fehezan-dalàna ny lalàna mifehy ny fifidianana. Ha­tramin’izao, io lalàna fehizoro io no itondrana ny raharaham-pifidianana. Tamin’ny 2018 ny farany, fa mialoha ny fifidianana hatrany ny fandaniana lalàm-pifidianana. Amin’izao, raha ny hafohin’ny fotoana: aleo tazonina amin’io lalàna io aloha ny fikarakarana ny fifidianana. Raha vao vita ny fifidianana, homanina ny hoavy fa tsy volana vitsivitsy alohan’ny fifidianana indray vao hihetsika amin’izany. Toy izany koa ny vola enti-manana fifidianana. Satria voafaritry ny lalàna avokoa ny fe-po­toam-piasan’ireo olom-boa­fidy, tsy tokony hisy olana ny fiatrehana fifidianana mana­raka.

* Ary ny amin’ny hoe tsy azo atokisana amin’ny fikarakarana fifidianana ny Ceni amin’izao?
– Tsy hoe tenenina fotsiny ny tsy fahatokisana, fa mitarika andraikitra. Mila manamafy ny fanaraha-maso ataony izy, raha tsy matoky. Ny porofo hitany amin’izay no enti-miresaka avy eo, fa lasa fanakorontanana raha tsy fahatokisana tsangan’olona. Fiara tsy mbola miasa, ohatra, lazaina fa simba na tsy atokisana?

* Inona no andraikitry ny olom-pirenena amin’izany?
– Mahafeno fepetra amin’ ny maha mpifidy… Eo ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy. Tsy hoe mifidy ihany ny zon’ny olona voasoratra anarana, fa mahazo mirotsa-kofidina koa. Raha misy tsy fetezana ny raharaham-pifidianana, izay voasoratra ao anaty lisi-pifidianana sy nifidy ihany no afa-manao fitarainana na fitoriana any amin’ny fitsarana mahefa.
Raha milamina ny fifidianana ary voafidy soa aman-tsara izay olom-boafidy, izay nandray anjara tamin’ny fifidianana ihany koa no mahazo manao fanamarihana izay ataon’ny fitondrana. Ny olona tsy nifidy, tsy nampindrana fahefana azy: noho izany, tsy manan-jo hanakiana azy.

Nangonin’i R. Nd.

Partager sur: