Depiote Andriamanjato Bina: “Mitaky olo-marina sy hendry ny fitantanana eto amintsika”

Iza izy ? Depiote voafidy tao amin’ny distrikan’Andra­masina, Andriamanjato Lian­tsoa Bina. 46 taona ary mbola mpitovo, tsy manambady.

Anisan’ny sakafo tiany ny trondro. Fialamboly ankafi­ziny ny mitsangantsangana. Mpankafy baolina kitra sy ny basikety. Tia ny gadon-kira malefaka ary anisan’ny ankafiziny ilay hira “Akaiky mpamonjy”. Mpihira tiany ny tarika Mahaleo sy ny mpanao hiragasy, Rateloson Andohavary.
Nahazo ny “Masters” momba ny lalàna i Bina taorian’ny nahazoany ny baka­lorea. Tale mpanorina ny LP Mahatsara, any Tsarahone­nana.
Malagasy sy kristianina

Anisan’ny nanamarika azy teo amin’ny fiainana ny fahafatesan’ireo iray tampo aminy sy ny reniny, maty nifanesy.
Nambarany ary ampitainy amin’ireo tanora ny tokony hanehoana amin’ny mpiara-belona fa olombelona ianao. “Tsy izany ihany anefa fa Ma­lagasy koa ary kristianina”, hoy izy. Efa mpikambana teo anivon’ny fikambanana DRV sy ny fiarahamonim-pirenena PFN-OSCM ny tenany. Eo amin’ny politika kosa, efa mpikambana tao amin’ny an­toko Tim sy ny eo anivon’ny HVM ary niverina Tim amin’ izao fotoana izao.

Mpitantanana marina sy mahay ary hendry

Nambarany ho anisan’ny olana eo amin’ny fanaovana politika ny tsy fahatongavan’ ny vola tokony ho an’ny va­hoaka. Vahaolana narosony ny tokony hananantsika mpitondra hendry sy mahay ary olo-marina sy masina. “Tafi­ditra ao anatin’izany ny olom-boafidy sy ireo olom-boatendry rehetra”, hoy ihany izy.
Etsy andaniny, nahitsy ny depiote Bina nilaza fa anisan’ ny maha taraiky ny distrikan’ An­dramasina ny resaka poli­tika. Eo koa ny haratsin’ny la­lana sy ny herinaratra. Momba ny mbola haha kandidà azy na tsia amin’ny fifidianana de-piote manaraka eo, mazava ny valin-teniny. “Apetraka amin’ Andriamanitra izany”, hoy izy.

Nangonin’i Synèse R.

Partager sur: