Fanakanana hetsika anaty toerana mifefy: nitory eny amin’ny fitsarana ny eo anivon’ny MMM

Nosakanan’ny lehiben’ny distrikan’i Fandriana ny hetsika nokasaina hatao ao amin’ny toerana voatokana ao Imito, ny zoma lasa teo. Tsy nipetra-potsiny anefa ny eo anivon’ny MMM Amoron’i Mania fa nametraka fitoriana.

Hiroso amin’ny dingana lalina kokoa. Name­traka fitoriana eny amin’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana any Fi­anarantsoa ny MMM Amo­ron’i Mania, tarihin’ny mpandrindram-paritra, ny Me Mami­nirina Josoa sy ny mpandrindra lefitra, Matsiatra Ambony, Rakonirina Bruno. “Tafape­traka ny fitoriana momba ny fanakanana ny hetsika tany Fandriana raha nanaiky ny hanaovana izany ny ben’ny Tanàna nefa nolavin’ny sefo distrika”, hoy izy ireo. Eo ny fitoriana fampiatoana ilay fandrarana “Suspension de l’interdiction ” ary ny fanafoanana ny fandrarana “Annulation de l’interdiction”.
Nanterin’izy ireo fa tafiditra amin’ny asa sy adidin’ny antoko ny mihaona amin’ny vahoaka sy ny mpikambana mba hifanakalo hevitra, ma­no­loana ny raharaham-pirenena. Antony nikasana hanaovana ny hetsika izany. Manamafy izany ny birao politika, Rata­vilahy Andry fa nanaraka ny dingana momba ny lalàna mifehy ny antoko politika ny ataon’izy ireo amin’ireny he­tsika ireny. Anjaran’ny antoko politika ny manara-dalàna sy ny Lalàmpanorenana. “Man­dray anjara koa amin’ny fitaizana sy ny fanabeazana ny olom-pirenena sy ny fizarana ny fotokeviny ny MMM. Ma­molavola ny mpikambana sy manao tatitra ny fiainam-bahoaka sy ny raharaham-pirenena”, hoy izy.

Nafindra toerana ny hetsika ao Ambositra

Nohitsiny fa notanterahin’ ny antokon’izy ireo izany, araka ny voalazan’ny lalàna. Notsiahivin’ny MMM fa na­hazo alalana, tsy nisy sakantsakana ny hetsiky ny antoko manohana ny fitondrana. Ani­san’izany ny Freedom teny Ivato, ny 17 marsa sy ny tany Toamasina, ny 14 avrily. Ny tany Vohemar, ny 18 avrily ary ny tao Ambositra farany teo niantsoana ny filohan’ny Repoblika ho kandidà. “Samy nisalotra ny akanjo famantarana ny TGV avokoa hatramin’ ny filoha aza. Teo koa ny ka­bary politika”, hoy izy. Tsia­hivina fa tokony ho nihaona amin’ny vahoakan’i Fandriana ny mpitarika ny MMM ary nokasaina hatao amin’ny toerana voatokana izany. Fotoana koa io tokony ho nitsidihan’ny mpitarika ny MMM ny ben’ ny Tanàna lany tamin’ny anaran’ity antoko ity, ao amin’ny kaominina Imito saingy izao tsy tanteraka izao. Tsy vitan’ izany fa niharan’ny sakana sy ny ramatahora koa ny tompon’ ny trano tokony hamorian’ny MMM ny vahoaka ao Ambo­sitra, anio, ka voatery nafindra amin’ny toerana, eny amin’ny Saha Mandrosoa, Ambohi­bary any an-toerana ihany izany.

Synèse R.

Partager sur: