Nihaona tamin’ny vahoakan’Ambositra tao amin’ny Saha Mandrosoa, ny antoko Malagasy miara-miainga, ny sabotsy teo. Nitondra fanazavana momba ny raharaham-pirenena sy ny fitsinjaram-pahefana ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo tamin’izany.
Anisan’ny nitondran’izy ireo ny heviny ny momba ny fifidianana. Natsinkafona tamin’izany ny fomba fiasan’ny Ceni, amin’ny fanomanana ny fifidianana. Nohitsiny fa betsaka ny tsy ara- dalàna amin’ny fikarakarana ny fifidianana ka niantsoan’ny MMM ny Ceni sy ny fiarahamonim-pirenena. “Raiso ny andraikitra ahazoana fifidianana madio sy mangarahara amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra”, hoy izy. Noraisiny ho ohatra amin’izany ny taorian’ny famaranana vonjimaika ny lisi-pifidianana ka latsaka ambany ny isan’ny mpifidy amin’izao fotoana izao noho ny tamin’ny fifidianana ben’ny Tanàna farany. Tsy lavorary ny fanaovana tanteraka ny lisi-pifidianana ka tokony handraisana fepetra sy ifampidinihana ary ifanakalozana hevitra sy traikefa izany, araka ny nambarany hatrany. “Aoka tsy hiziriziry fa tsy ho afa-bela ary ho tompon’andraikitra ny Ceni amin’ny korontana mety hiseho eo. Tsy maniry izany isika fa mbola azo arenina izao”, hoy ihany izy.
Niantso ny FFKM ny MMM
Nampirisihin’ny MMM ny eo anivon’ny FFKM ho sahy sy hijoro, manoloana izany rehetra izany. Miandrandra fitoniana ny rehetra mba hahafahan’ny firenana mandroso, araka ny nambarany.
Ankoatra izany, nohazavain’ny filoha nasionaly ny vinan’ny antoko, mifototra amin’ny fitsinjaram-pahefana. Nanteriny fa mila politika sahy sy fandraisana andraikitra ho amin’ny fanovana izany. “Ilaina ny manala ny sakana rehetra ary mametraka ny fitsinjaram-pahefana ho amin’ny tombontsoa iombonana, miainga eny ifotony”, hoy izy.
Niatrika izany ny loholona MMM, ny mpandrindram-paritra Amoron’i Mania, sy ireo olomboafidy ary olom-pirenena tsotra, ankoatra ny mpikambana. Nanao tazan-davitra, nanara-maso kosa ny eo anivon’ny Emmo/Reg.
Synèse R.