ASS Fivoy : nizara ny traikefa Razafinjoelina Tahiana

Nihaona tamin’ny vahoa­kan’Ambositra, maherin’ny 1 300 any ho any, tao amin’ny Fark Md Josefa, ny mpitarika ny ASS Fivoy, Razafinjoelina Tahiana sy ireo mpanara-dia azy, ny faran’ny herinandro teo. Nivoitra tamin’izany fi­haonana sy famelabelaran-kavitra izany ny nangatahan’ny mompera mpitantana ny Radio Maria any Ambositra ny tokony hilatsahany ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena, ho avy izao. Voaresaka koa ny hetahetan’ireo tanora momba ny fampanana asa sy ny famoronana asa. Niainga avy amin’ny lohahevitra : “Tanora lavitry ny hakiviana”. Maro anisa rahateo ireo tanora niatrika izany fihaonana sy fifanakalozan-kevitra izany ka nampitany ny traikefany. Teo koa ny famelabelarana ny momba ny fandraharahana matihanina sy ny fampivoarana ny maha olona.
Anisan’ny niara-dia tamin-dRazafinjoelina Tahiana ny ben’ny Tanàna ao amin’ny kaominina Andina, Rakoto­zandrindrainy Raphaël.
Tsiahivina fa anisan’ireo tanora mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny serasera ny mpitantana ny ASS Fivoy. Eo koa anefa ny maha mpitantana sekoly ambony IT University azy.

Synèse R.

Partager sur: