Namearison Robert : «Ilaina ny fitoviana sy ny fahazoana maneho hevitra»

Nitondra ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert. Anisan’ny nambarany ny momba ilay fepetra noraisin’ny minisiteran’ny Atitany.

“Ilaina ny fametrahana ny fitoviana sy ny fa­hazoana maneho he­vitra. Satria hatramin’izao tsy mbola misy kandidà. Ny loza aza, tsy ny resaka politika ihany no andrarana olona hanao famoriam-bahoaka na hetsika ankalamanjana, fa hatramin’ny lafiny sosialy sy kolontsaina toy ny fanenta­nan’ny fikambanana na ONG ny olom-pirenena hisoratra anarana amin’ny lisitry ny mpifidy, ohatra.” Io ny fanehoan- kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabea­zana olom-pirenena, i Namea­rison Robert, manoloana ny fepetran’ny minisiteran’ny Ati­tany amin’ny tsy fahazoana manao famoriam-bahoaka an­kalamanjana.
Raha izay ny fandrarana fanaovana famoriam-bahoaka ankalamanjana: rehefa hiteny ny resaka tokony hataon’ny olona anaty trano ny governemanta na ny fitondram-panjakana, tokony ho anaty trano koa izy no miteny an’izany. Mba hisian’ny fitoviana izay. Raha jerena amin’ny ankapobeny, toy ny fanitsahana ny fahafahana fototra ny raharaha, araka ny nambarany.
Tokony ho teny sy resaka ho amin’ny tombontsoam-bahoaka no ataon’ny fahefana mpanatanteraka eny ankalamanjana fa tsy resaka politika. Atao anaty trano izany rehefa resaka politika, na an’ny fitondrana na tsia. Tokony hahazo miteny ankalamanjana rehefa resaka raharaham-bahoaka, na avy amin’ny fitondrana na tsia.

Mila resahina ny amin’ny politika eto Madagasikara
“Ny fanaovana politika no olana eto Madagasikara, na eo amin’ny fanoherana na ao anatin’ny fitondrana”, hoy izy. Tia tena loatra ny mpanao politika, ka manao ny fomba rehetra hitanana ny fitondrana na hidirana amin’ny fitondrana. Samy manao izay saim-pantany rehefa malalaka loatra. Noho izany, tena mila miresaka ny amin’ny tontolo politika eto Madagasikara.
Tokony hatao an-taratasy rehefa manapa-kevitra ny eo anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Niresaka tsotra ny minisitra nanambra ny tsy fahazoana manao famoriam-bahoaka ankalamanjana. Efa naneho ny heviny momba izany ny olona vao nisy ny taratasy, izay tsy manana lanja amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana: tsy teny mita, tsy didim-pitondrana… Nefa momba ny governemanta no resahina. Noho izany, tsy didim-panjakana koa iny.

R. Nd.

Partager sur: