Noraisin’ny Praiminisitra Israelianina, i Benyamin Netanyahou ny filoha mpanorina ny Mihava Tour sady depiote, Randrianasoloniaiko Siteny. Notanterahina ny faran’ny herinandro tany an-toerana izany. Anisan’ny voaresaky ny roa tonta ny fiainam-pirenena sy ny fifandraisana eo amin’i Israely sy i Madagasikara. Teo koa anefa ny dinika momba ny fananganana fotodrafitrasa, anisan’ny tena mampatanjaka ny Israeliana. Anisan’ny niatrika sy nandray anjara tamin’izany fihaonana izany ny minisitry ny Fitaterana, ny Jly Miri Miriam Regev. “Zava-dehibe tokoa io fihaonana io. Nahafahanay nihaino sy nandray ny traikefa ananan’ireto mpitarika manana ny lanjany sy toerany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy ny rehetra no afaka manao izany”, hoy ny depiote R. Siteny .
Etsy andaniny, anisan’ny niara-nankalaza ny Eid El-Fitr tany Antsiranana ny solontenan’ny ekipan’ny Mihava Tour any Diana, ny herinandro teo. Nitondra ny hafatra sy ny fanomezana avy amin’ny depiote Siteny tamin’izany ny depiote isany, i Mohamad Ahmad sy ny senatera teo aloha, i Vaovao Benjamin. “Zava-dehibe ny fifanajana, ny firaisan-kina, ny fifankatiavan’ny samy Malagasy na inona na inona fironana eo amin’ny fivavahana, foto-kevitra sy ny politika… Iray ihany isika rehetra”, hoy izy ireo.
Synèse R.