Diplaomasia Madagascar-Chine : hisy ny fanararaotra ho an’ny sehatra tsy miankina

Nihaona tamin’i Wang Yi, talen’ny birao misahana ny raharaham-bahiny any Chine, ny delegasionina malagasy notarihin’i Yvette Sylla, minisitry ny Raharaham-bahiny ma­lagasy. Fitsidihana an’i Chine ny 30 jona 2023 hatramin’ny 2 jolay 2023. Fanamafisana ny fiaraha-miasan’ny firenena roa tonta no vontoatin’ny resaka tamin’izany. Nisy koa ny dinika mahakasika ny fivela­ran’ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra hafa. Samy afa-po sy resy lahatra ny andaniny sy ny ankilany tamin’ny fiaraha-miasa nisy hatramin’izay. Fiaraha-miasa izay nifototra tamin’ny foto-kevitry ny fitoviana sy ny fanajana ny fiandrianam-pirenena.
Notsindrin’ny minisitra nandritra ny fihaonana ny fanohanany ny finiavan’ny filohan’i Chine, amin’ny vinany momba ny filaminana sy fandriampahalemana. Tanjona ao anatin’izany ny hanatrarana ny vinan’ny fampandrosoana lovainjafy. Malagasy teknisianina sy mpandraharaha avy amin’ny sehatra tsy miankina maro no nandrafitra ny delegasiona malagasy nankany Chine. Tanjona ny hanolorana azy ireo izao fanararaotra lehibe izao ho fampandrosoana ny sehatry ny varotra sy ny fandraharahana.

Lin

Partager sur: