Hatramin’izao, tsy misy fanatsarana ny lalàm-pifidianana. Manahy ny fiverenan’ny tsy fetezana teo aloha ny KMF/Cnoe. Fanehoan-kevitra sy fanazavana…
“Mbola hiverina izany ny tsy fetezana hatramin’izay, fa tsy nohatsaraina ny lalàm-pifidianana. Mbola hiampy tsy fetezana vaovao…” Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olompirenena, i Namearison Robert, momba ny fiatrehana fifidianana.
Manasazy ny olompirenena ny lalàm-pifidianana amin’izao. Tonga mifidy, ohatra, ny olompirenena iray. Raha tsy manao sonia ny sekreteran’ny biraom-pifidianana, foana ny vato narotsaky ny mpifidy. Tsy ny olompirenena no diso ka sazina amin’izany. Ilay sekretera tsy nanao sonia no tokony hosazina.
Mialoha ny fotoan’ny fampielezan-kevitra, ohatra: raha kitihina ny lalàm-pifidianana hoe iza marina no afa-mifidy sy mahazo mirotsa-kofidina? Lalàna fehizoro ny lalàm-pifidianana eto Madagasikara. Didy hitsivolana ny fehezan-dalàna momba ny zom-pirenena.
Afa-manitsy ny didy hitsivolana ny lalàna fehizoro. Raha mipetraka, ohatra, ny hoe foana ny lalàna mifanohitra amin’izay lalàna fehizoro izay, foana ho azy izany. Noho izany, tsy tokony hisy ny adihevitra ny amin’ny fizakana zom-pirenena vahiny.
Tsy ampy finiavana politika ny fitondram-panjakana
“Tsy ampy finiavana politika ny fitondram-panjakana amin’ny fanatsarana ny zotram-pifidianana”, hoy izy. Nefa raha ny tokony ho izy, hatsaraina ny zotra manaraka raha vao vita ny iray. Mila hatsaraina araka ny ilana azy sy ny toetrandro izany. Saingy tsy ampy ny finiavana politika, ary ambony sy be loatra ny kajikajy politika.
Tokony hapetraka ny rafitra mpanara-maso sy ny fomba fiasa amin’ny fanatanterahana ny torolalana aorian’ny zotram-pifidianana iray. Hatao hatrany ny fanatsarana ny zotram-pifidianana amin’izay, ary tafiditra amin’izany avokoa ny rehetra.
“Manentana ny olompirenena izahay: mandehana mifidy. Raha hitan’ny tena hoe nahazoana tombontsoa izao fitondrana izao, mandeha mifidy azy. Raha tsy nahazoana tombontsoa izao fitondrana izao, mandeha mifidy fa tsy mifidy azy. Raha misalasala ny tena hoe tsy misy zavatra miova, mandeha mifidy vato fotsy”, hoy ihany izy.
R. Nd.