Andrianainarivelo Hajo: “Mila faranana ny fitantanana tsy mahomby”

Nitondra ny heviny momba ny nivoahan’ny datim-pifidianana ny filoha nasionalin’ny MMM, Andrianarinarivelo Hajo, omaly. Nambarany fa efa notakin’izy ireo herintaona lasa izany tetiandro izany fa namoaka ihany ny governemanta rehefa tratry ny tsindry avy amin’ny mpamatsy vola. Manapo­rofo izany fa tsy vonona amin’ny fifidianana ny fanjakana raha tsy voatery. Notakiny ny tsy haha tompon-trano mihono ny vahoaka sy ny hanajana ny lalàna. Anisan’izany ny famoriam-bahoaka sy ny fanehoan-kevitra malalaka mba hananana fifidianana mangarahara. “Aoka isika vahoaka tsy ho voarebireby intsony amin’ny tsy fanarahan-dalàna sy ny jadona fa mila faranana ny fitantanana tsy nahomby teto, tao anatin’ny 63 taona”, hoy izy. Notakiny koa ny tokony hampiasana anaty mangarahara ny volan’ny Ceni sy ny avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka.
Etsy andaniny, nambaran’ny MMM fa tsy nanaiky ny hanitsy ny lalàm-pifidianana ny fitondram-panjakana. Hoavy anefa ny fifidianana hitsaran’ny vahoaka azy amin’ny tsy nanekena izany, araka ny nambarany. “Heverin’ny mpitondra fa ho tombony ho azy ny tsy fikitihana io lalàna io. Tsy lavorary ary mety hiteraka olana anefa izany lalàm-pifidianana izany, ho tomponandraikitra amin’izany ny mpitondra. Miantso ny vahoaka izahay hanasazy ny tsy manara-dalana amin’ny alalan’ny fifidianana”, hoy ihany izy.

Synèse R.

Partager sur: