Mahatsiaro manana andraikitra lehibe eto amin’ny firenena ny eo anivon’ny FFKM, amin’ny maha Raiamandreny am-panahy azy ireo. Izany indrindra no nanosika azy ireo nanao antso avo sy nikarakara hetsika maro, indrindra ny mahakasika ny fifidianana.
Tontosa omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fihaonana teo amin’ny filoham-piangonana efatra, mivondrona ao anatin’ny Firaisan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (FFKM) sy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry. Nisongadina nandritra izany ny antso avo nataon’ireto raiamandreny am-panahy ireto ho an’ny rehetra, ny amin’ny tokony hifanajana rehefa maneho hevitra hitandroana ny fandriampahalemana sy ny tombontsoa ambonin’ny firenena.
Nanamafy ny amin’ny tokony hametrahana ho laharam-pahamehana ny fifanajana ny FFKM, nandritra ny fanambarana nataony, taorian’ny fihaonana tamin’ny filoham-pirenena. “Antso avo no atao ho an’ny olompirenena rehetra, ho an’ny haino vaky jery, ny mpiserasera, ny tomponandraikitra sy ny mpisehatra eo anivon’ny antoko sy vondrona politika mba haneho hevitra am-panajana hitandroana hatrany ny fandriampahalemana sy ny tombontsoa ambonin’ny firenena” hoy ny mpitondra tenin’ny FFKM. Nandritra ity fihaonana omaly ity ihany koa no nanaovan’ireto Raiamandreny am-panahy ireto ny tatitry ny fihaonambe nokarakarain’ny FFKM, teny Mandriamena, ny herinandro lasa teo.
Vonona ny andrimaso FFKM
Sampana iray efa nisy saingy naverina natsangana eo anivon’ity rafitra ity ny Andrimaso FFKM. Mizara roa mazava tsara ny tanjon’itsy farany, araka ny nambaran’ny Pastera Irako Andriamahazosoa Ammi, filohan’ny FFKM. Voalohany amin’izany ny hampianatra sy hanabe olompirenena vanona. Faharoa, ny fanaraha-maso ny fifidianana. Ny FFKM, izay efa nahazo taratasy ara-dalàna hanara-maso ny fifidianana, hoy ihany ny nambaran’ny filohany.
Lin