Nohitsin’ny kandidà, i Andrianainarivelo Hajo fa manao fanambarana sy maneho hevitra hatrany ny Foloalindahy rehefa sahirana ny mpitondra fanjakana. Voizin’izy ireo amin’izany ny fiarovana ny Andrimpanjakana. “Voantohintohina izany Andrimpanjakana izany anefa izao satria filoham-panjakana am-perinasa no nangataka zom-pirenena vahiny ny taona 2013. Mba te aheno ny Foloalindahy izahay haneho hevitra”, hoy izy teny amin’ny foiben’ny MMM, eny Ankerana, omaly. Nanteriny fa mampiroaroa saina ny maro izany ka tokony hiteny ny tandroka aron’ny vozona. Tena manohintohina ny fiandrianam-pirenena izany ary ianareo no miantoka sy miaro izany, araka ny nambarany.
Notsiahiviny fa efa niverina ny taona 1960 ny Fahaleovantena. Nisy filoham-panjakana nangataka zom-pirenena ilay tany nanjanaka anefa ka zany ve no hosoratana eo amin’ny tantaran’ny firenena, araka ny fanontaniany. “Fantatry ny filoha ve ny lanjan’izany eto amin’ny firenena ? Iangaviana ny HCC, amin’ny anaran’ny mangarahara hamoaka ny momba ireo kandidà milatsaka hofidina raha tena Malagasy marina”, hoy ihany izy.
Nanteriny fa tsy mbola tara ny filoha am-perinasa raha mijery fitaratra sy mandini-tena amin’ny ataony ho an’ity firenena iombonana ity. Mba tsy ho ny vahoaka no haka fepetra. “Tokony ho izy no mandray fepetra amin’ny tenany raha tena tomponandraikitra eto amin’ny firenena fa tsy hiandry ny vahoaka“, hoy izy.
Synèse R.