“Voalazan’ny lalàna fa manan-jo hanatona fitsarana ireo nisoratra anarana tamin’ny takelaka fanisana mpifidy, nefa tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana“, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly.
Ny fitsarana ihany no afa-mamoaka didy hampidirana anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana efa nofaranana. Heverin’ny Ceni fa tsy mifanohitra amin’ny lalàna raha izy no maka ny toeran’ny olom-pirenena hangataka ny didy hahazoana mampiditra azy ireo tsy ho very zo. Tsy maintsy hitombo ny lisitry ny mpifidy na efa nikatona aza ny lisi-pifidianana, raha eken’ny fitsarana ny fampidirana azy ireo amin’izay lisitra fanampiny izay .
Nambarany koa fa ao anatin’ny fandinihana ny momba ny biraom-pifidianana ny Ceni izao. Misy ny fanadihadiana nalefa any amin’ny rantsamangaika, iandrasana valiny. Misy vohitra telo na efatra, ohatra, ny fokontany iray, nefa ravan’ny dahalo ny iray ka mifindra: mety ho biraom-pifidianana iray, raha mihoatra ny 700 ny mpifidy. Amin’ny ankapobeny, tsy miova firy ny biraom-pifidianana.
R. Nd.