Nihaona tamin’ny vahoakan’i Talata Volonondry teny an-tsena ny filoha nasionalin’ny Tim. Nitafa mivantana tamin’ireo tantsaha ny tenany. “Tsy maintsy hatao ny hanampiana anareo rehetra manerana ny Nosy amin’ny fambolena sy ny fiompiana”, hoy izy. Anisan’izany ny fanamorana ny fahazoana ny zezika, ny masomboly, ny fanarenana sy fanamboarana lakandrano, manondraka ny tanimbary sy ny tanimboly. Miantoka ny famokarana izany, araka ny nambarany. Ho tanteraka ny vina Map Plus rehefa manana vokatra, ahitana kalitao isika. Ho lasa firenena miroborobo sy hanana toekarena misondrotra haingana ary ahita fahombiazana eo amin’ny fifaninana amin’ny tsena iraisam-pirenena, araka ny nambarany hatrany. Izao indray vao nivoaka kely ny renivohitra ity kandidà sady filoha teo aloha ity, taorian’ny nametrahany ny antontan-taratasy firotsahana teny amin’ny HCC. Tsiahivina fa nahitana Emmo/Reg nihaodihaody teny amin’ny trano fonenany eny Faravohitra, omaly.
Synèse R.