“Ny fialana na fidirana olom-boafidy amina antoko politika, zava-pitranga amin’ny tany repoblikanina. Malalaka ny olona tsirairay hiditra na hivoaka… Tsy ny solombavambahoaka na ny ben’ny Tanàna na lehiben’ny antoko miala amin’ny antoko eo amin’ny fitondrana no hifidy izay ho filohan’ny Repoblika fa ny vahoaka”. Io ny fanehoan-kevitry ny solombavambavahoaka IRD, Rakotondrasoa Fetra, manoloana ny fisian’ireo depiote na ben’ny Tanàna miala eo anivon’ny antokon’ny fitondrana amin’izao ankatoky ny fifidianana filohan’ny Repoblika izao.
Tsy vao androny no nisy olom-boafidy miala amin’ny fitondran’ny filoha Rajoelina. Efa maromaro izy ireo. Ao ny mbola mitampikipitrika ao na efa te hiala mafy aza: mbola te hihinana faramparany ihany koa ve sa inona no eritreretina? Misy mbola misalasala, sns. Tsy voatery hanaraka an’ilay olom-boafidy na lehiben’antoka nanohana fitondrana, ohatra, ka niala amin’ny fitondrana ireo nifidy azy ao anatin’ny kaominina na distrika misy azy.
R. Nd.