Anisan’ireo kandidà hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ny filoha Rajoelina Andry. Tafapetraka, omaly tolakandro ny antontan-taratasy firotsahany. Nohamafisiny tetsy Mahamasina izany maha kandidà azy izany.
Nisolo tena ny filoha Rajoelina Andry nanatitra ny dosieny teny Ambohidahy ny “Mandataire“, i Solofoniaina Michkael, omaly tolakandro, amin’ny fotoana nikabarian’ny filoha ny haha kandidà azy tetsy Mahamasina.
Nambarany tamin’ny lahateniny fa natao ny fomba isakanana azy tsy ho kandidà. Mazava anefa ny nambarany. “Ny vahoaka irery ihany no masi-mandidy ka mametraka ny tiany hitanana ny firenena fa tsy andian’olona vitsivitsy sy ny mpanohitra“, hoy izy. Koa noraisina ny fanapahan-kevitra amin’ny fanoloran-tena hanompoana ny vahoaka noho ny fangatahan’ny Malagasy maro anisa sy ho fanohizana ny asa, araka ny nambarany.
“ Vonona ny tenako hanolo-tena indray ho an’ny tanindrazana ho filohan’ny Repoblika… Isaorana isika rehetra nahafahako nitantana ny firenena tao anatin’ny 5 taona latsaka”, hoy izy.
Tsy afaka potehina…
Nanteriny fa tsy vita anatin’ny herintaona ny fampandrosoana ny firenena. Niaiky koa ny tenany raha nisy fanadinoana ireo mpitolona ka nampanantenany ny hanakaikezana azy ireny. Notsiahiviny fa nanao ny ezaka rehetra nanatratra ny fahatarana teto amin’ny firenena, amin’ny fametrahana ny fanjakana manakaiky vahoaka ny fitantanany. Anisan’izany ireo fotodrafitrasa ilain’ny vahoaka. “Mila olona manana vina sy mpanorina ary manana fitiavana tanindrazana sy efa voasedra ny firenena. .. Izao mijoro izao no mahay mitsinjo ny Malagasy sy hanatanteraka ny fampandrosoana ny firenena. Tsy afaka potehina izao lehilahy izao...”, hoy izy.
Synèse R.