Hivoaka ny sabotsy izao ny lisitra ofisialin’ireo kandidà afaka hifaninana amin’ny hakazakazaka ho eny Iavoloha. Andrasana ny ho fanapahan’ny etsy Ambohidahy amin’ireo kandidà miisa 28 ka nahafeno ny fepetra.
Telo ireo filoha efa nitondra ary samy kandidà avokoa izy ireo amin’izao fotoana izao sy ny taona 2018: Andry Rajoelina; Ravalomanana Marc; Rajaonarimampianina Hery. Efa kandidà ny taona 2018 koa ary niverina nirotsaka hofidina, Ratsietison avy amin’ny FMI sy ny kandidàn’ny MTS, Ratsiraka Roland. Efa kandidà ny taona 2013 kosa Andrianainarivelo Hajo, natolotry ny MMM.
Miisa efatra ireo depiote am-perinasa nirotsaka hofidina. Anisan’izany, Razafintsiandraofa Brunelle (APM), Masy Goulamaly (AMM), Randrianasoloniaiko Siteny (PSD) ary Ratsiraka Roland. Efatra tahaka izany koa ireo vehivavy : Ratsiraka Annick (Arema); Vololonirina Marie Josiane (Mahaleotena), Masy Goulamaly ary Rasolofonoroniaina Julia Mickaella (Andry fanavotana an’i Madagasikara). Dimy ireo kandidà avy amin’ny mahaleotena ary iray avy ny mpitondra fiangonana sy ny avy amin’ny finoana silamo.
Praiminisitra, minisitra, ambasadaoro
Etsy andaniny, minisitra teo aloha amin’izao fitondrana izao Andrianainarivelo Hajo ary ambasadaoro teo aloha, fony fitondrana Ravalomanana kosa i Paraina Auguste. Praiminisitra tamin’ny fitondrana Tetezamita i Monja Roindefo. Miisa dimy ireo kandidà manana haino aman-jery : Ravalomanana, Andry Rajoelina, Andry Raobelina ary Randrianasoloniaiko Siteny.
Tsiahivina fa hatao an-tsapaka eny amin’ny Ceni ny alatsinainy izao ny ho laharan’ireo kandidà ofisialy amin’ny biletà tokana.
Synèse R.