Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Nitaky ny mangarahara ny momba ireo kandidà hifaninana amin’ny fifidianana izy ireo.
“Ny filohan’ny Repoblika am-perinasa no jerentsika momba ny fizakana zom-pirenena. Izahay aza mitaky hoe raha azon’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmparenana (HCC) atao, tokony havoaka: inona avokoa ny zom-pirenen’ireo kandidà ho filohan’ny Repoblika”? Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olompirenena, i Namearison Robert, momba ny fizakan’ny kandidà zom-pirenena hafa. Tsy ao anatin’ny lalàna izay nambaran’izay, fa mba hahafantaran’ny olompirenena izay manana zom-pirenena hafa. Ny fitsarana ambaratonga voalohany no mamoaka ny fanamarinana ny fizakana zom-pirenena malagasy, ary ny HCC no mamoaka ny lisitry ny kandidà. Miankina amin’ny feon’ny fieritreretan-dry zareo izay. Tsy azo ivalozana ny fanapahan-kevitry ny HCC.
“Aoka isika ho tony, tsy handray ny toeran’ny HCC. Avelao handinika sy hanapa-kevitra amin’izay heveriny fa mahafeno fepetra ry zareo”, hoy izy.
Hoeken’ny HCC avokoa ?
Aleo ny fitsarana ambaratonga voalohany no hamoaka hoe tena very zom-pirenena malagasy tokoa ve ny filohan’ny Repoblika? Misy koa ny didy fakan-tahaka, fanapahan-kevitry ny mpitsara: amin’ny alalan’ny fanginan’ny lalàna, azo ampiharina amin’ny manaraka. Mety hitranga izany. “Andrasantsika raha hahazo ny taratasy fanamarinana ny fizakana zom-pirenena malagasy avokoa ireo kandidà. Rehefa mahazo izy ireo, hoeken’ny HCC avokoa ve?”, hoy ihany izy.
R. Nd.