Hanomboka rahampitso ary haharitra hateloana ny varavarana misokatra tanterahin’ireo hopitalim-panjakana rehetra tsy an-kanavahana manerana ny Nosy. Fisokafana amin’ny rehetra, ahafahana misitraka ny karazana tolotra ara-pahasalamana maimaimpoana izany. Ankoatra izany, ny fandidiana “hernie” ho an’ireo zaza latsaky ny 5 taona. Eo koa, ny fandidiana ireo manana fahasembanana amin’ny molotra na sima.
Fanararaotra ny hetsika satria tsy misy matetika. Hahafahana mihaona mivantana amin’ireo dokoteran’ny hopitaly, mitaraina ny tsy fahasalamana ary mitondra izany amin’ireo manam-pahaizana manokana mihitsy manala ny ahiahy.
Ho an’ireo manana aretina kanefa tsy sahy manatona dokotera dia fotoana io hanatonana azy ireo sy handraisana an-tanana ireny marary ireny.
Mbola maro ireo matahotra manatona hopitaly na dia efa tojo tsy fahasalamana lalina aza. Fomba iray hanalana ny fisalasalan’ny olona ihany koa ny fisokafana toy ity hetsika ity ialan’ny tahotra ka ho sahy handeha tobim-pitsaboana amin’izay rehefa misy tsy fahasalamana.
Voakasiky ny hetsika avokoa na ireo hopitaly manara-penitra vao nisokatra aza. Efa manodidina ny 20 izy ireny no am-perinasa.
Tatiana A




