FAMILIANA FIARAKODIA : « Mila hentitra ireo sekoly mampianatra », hoy ny ATT

Nanamafy fiaraha-miasa ny antokondraharaha misahana ny fitaterana an-tantety (ATT) sy ny sendikà ivondronan’ireo sekoly fampianarana mamily fiarakodia eto Mada­gasikara.
Nodinihin’ny roa tonta ny fanatsarana ny tontolon’ny asa fampianarana mamily fiarakodia. Mila hentitra ireo sekoly mamolavola mpamily mba tsy hitera-doza eo amin’ny fifamoivoizana sy ny asa­ny. Ankoatra ny fampianarana ny teknika, zava-dehibe in­drindra koa ny fitaizana ny toe-tsaina sy ny fampanarahan-dalàna.
Niarahan’ny roa tonta nijery koa ny mahakasika ny fanalana fanadinana ahazoana taratasy fahazoan-dalana ma­mily fiarakodia, ny famoahana taratasy fahazoan-dalana ma­mily fiarakodia eto Antana­narivo sy any amin’ny Faritra. Ankoatra ireo ny fanaraha-maso ireo taratasy fahazoan-dalana mamily fiarakodia an-tanàn-dehibe sy eny amin’ny lalam-pirenena izay tena mahasarotiny satria tsy ny rehetra no mahafehy izany.
Tanjona iraisana ny fampihenana ny lozam-pifamoivoizana an-dalambe izay nateti-pitranga tato ho ato. Maro ny mety ho antony ary samy tomponandraikitra amin’ny fanarenana ny rehetra.
Manentana hatrany ny olona maniry haka na hameno ny taratasy fahazoan-dalana hamily fiarakodia izay hananany mba hanatona sekoly fampianarana mamily fiarakodia maka ny andinindininy rehetra fa tsy hanao amboletra any ambadika. Mpamily tsara hofana, antoky ny fifamoivoizana milamina sy ieren-doza no tarigetra.

Tatiana A

Partager sur: