Notanterahina ny fiandohan’ny herinandro teo, tao Ivato ny fitsidihana ifotony mitety ireo kaominina ataon’ny lehiben’ny distrikan’Ambohidratrimo, Raharijaona Andoniaina. Kaominina faha-21 tamin’ireo 24 tsy maintsy tsidihina ny ao Ivato. Araka ny lalàna 2024-21 dia tsy maintsy manao ny fampahafantarana ny politika ankapoben’ny fanjakana ny distrika.
Fampitana amin’ny vahoaka ny lalàna misy sy ny asam-panjakana, fanapariaham-pahefana, misehatra amin’ny tolotra omena ny vahoaka, fanamorana ny asam-panjakana.
Fotoana niantsoana ireo raiamandreny eo an-tanàna, tomponandraikitra, fikambanana…Nanazavana tamin’izy ireo ny asan’ireo sampandraharaham-panjakana eny ifotony.
Nahafahan’ny olon-tsotra nitaraina sy nitondra soso-kevitra mikasika ny tranga misy eny anivon’ny fiarahamonina, nihainoana ny feon’ny vahoaka.
Amin’ny ankapobeny, mbola maro ny olona matahotra manatona biraom-panjakana ka fotoana iray nahafahana nisokatra sy nanome toky ny fiarahamonina ny tokony hanatonany birao mivantana ny sehatra nihaonana, ialana amin’ny honohono sy ny fanararaotana ataon’ny hafa.
Tatiana A




