Nanao antso avo ho an’ireo hitantana ny firenena mandritra ny dimy taona manaraka ny Kaofederasionina sendikaly Sempama, raha niresaka tamin’ny mpanao gazety tetsy Ambohijatovo, omaly. “Latsaka an-katerena tanteraka ny fanabeazana, izay kitro ifaharan’ny fampandrosoana”, hoy Raharivohatra Claude, filohan’ny sempama. Mitaky ary tsy manaiky hanaovana fitaovana politika ny fanabeazana sy fampianarana izy ireo. Takin’ izy ireo ihany koa ny hananan’ny mpitantana manana traikefa sy mahalala ary mahafehy ny tontolon’ny fanabeazana. Mba ahafahana manatratra ny tanjon’ny fanabeazana ho an’ny rehetra sy mampiaty, araka ny takin’ny ODD4.
Mbola lavitry ny afo ny kitay raha ny tomban’ny dimy taona lasa navoakan’ny PNPSE sy ny ny Celco, rafitra ara-dalàna eo anivon’ny minisitera no jerena. Ilaina ny fotodrafitrasa vaovao, ny fizarana rakibolana, ny kahie, ny kits scolaire sns. Nilaza izy ireo fa tsy misy dikany izany, raha tsy mipetraka, araka ny tokony ho izy, ny rafi-pampianarana. Nambarany hatrany fa 3% ihany ny mpampianatra mahafehy ny teny malagasy sy Frantsay, izay teny enti-mampianatra. 85% tsy nahazo fiofanana fototra, very ny antsasa-manilan’ny fotoam-pampianarana noho ny antony samihafa.
Efa nitaky ny hametrahana ny programam-pampianarana vaovao efa an-taona maro, izay mbola andrana foana izy ireo. Ny famoahana ny didim-pitondrana mampihatra ny lalàna hametraka izany. Tokony hapetraka amin’ny toerana misy azy ny «Cellule de coordination» (Celco) fa tsy ho eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena irery. Marihina fa ho tapitra amin’ny 2030 ny ODD, tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy.
Mino




