Oniversiten’Antananarivo : “Tsy mbola nivoaka ny voka-panadinana”, hoy ny Seces

Tsy misy fiovana ny zava-misy eny amin’ny oniversiten’An­ta­nanarivo. Mitohy ny fitokonana ataon’ny mpampianatra mpikaroka ary hihamafy izany rehefa tsy mamaly ny fitakiana ny fitondrana.

«Efa niato tao anatin’ ny telo volana ny fampianarana eny amin’ny oniversiten’Antana­narivo sy ny asa fikarohana eny anivon’ny foibem-pikarohana sivy miankina amin’ny fanjakana eto Antananarivo”, hoy ny fanambaran’ny biraon’ ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka (Seces) sampana Antananarivo, ny alarobia lasa teo, taorian’ny fivoriana nataon’ ny mpikambana. Vokatry ny tsy famalian’ny fitondrana ny fitakiana samihafa no niteraka izany. Manamafy izy ireo fa mitovy tanteraka ny zon’ireo mpianatra eny amin’ny oniversite miankina amin’ny fanjakana ka tsy mivoaka ny voka-panadinana amin’ireo toeram-pampianarana rehetra ary mihantona ihany koa ireo voka-panadinana hidirana amin’ny taona voalohany (L1).
Mitaky ny hamerenan’ny mpitantana ny oniversiten’An­ta­nanarivo ny vavahady vy izay nesorina an-tsitrapo ny Seces satria antoky ny fana­jana ny “franchise universi­taire” ny fisian’io vavahady io. Raha tsy miverina anatin’ny herinandro ny vavahady, handray fepetra ny Seces manoloana ny fanimbana ny fotodrafitrasa iombonana.
Voalazan’ny fanambarana koa fa mampitandrina ireo tomponandraikitra sasany mampizarazara sy mampi­sara-bazana ny samy mpampianatra mpikaroka ny biraon’ ny Seces Antananarivo. Tan­tara mitohy ny hetsika ary tsy misy mangirana satria 1 amin’ ny 10 no nahazoana valiny ny fitakiana natao.
Hisy fivoriambe anio hijerena ny tohin’ny fitakiana. Vo­nona ny hanohy ny fampianarana ny mpampianatra raha vantany mivaly avokoa ny fangatahana, araka ny fanehoan-kevitr’ireo mpampianatra mpikaroka hatrany.

Vonjy A.

Partager sur: