Ao anatin’ny “Octobre rose” na iray volana hanentanana ny fisorohana amin’ny homamiadan’ny nono isika. Miresaka momba ny fitiliana amin’ny alalan’ny mammographie ny radiologue eo anivon’ny CHU Andohatapenaka, Rasoamaharo Miangaly Soaniaina.
Anisan’ny homamiadana voalohany mamely ny vehivavy ny homamiadan’ny nono. Raha voatily mialoha anefa izany dia ambony ny taham-pahasitranana, hoy ny radiologue eo anivon’ny CHU Andohatapenaka, Rasoamaharo Miangaly Soaniaina. Ny mammographie no fitaovana tokana hahafahana mitily sy manaporofo ny homamiadan’ny nono.
Ireo vehivavy rehetra miohatra ny 40 taona dia afaka atao mammographie avokoa. Ireo latsaky ny 40 taona kosa dia mila ny firesahana manokana amin’ny dokotera manaraka azy vao afaka tiliana, araka ny takin’ny fitsaboana tsy maintsy atao.
Indroa isan-taona no tokony hanao fitiliana amin’ny mammographie ny vehivavy mihoatra ny 50 taona. Indray mandeha isan-taona kosa no manao izany ny latsaky ny 40 taona.
Azo atao ny manatona ny mpitsabo ary misy fitiliana atao azy hahafahan’ny mpitsabo manome taratasy andehanan’ny marary any amin’ny sampandraharaha fitarafana. Afaka manatona mivantana eny Andohatapenaka ihany koa mijery ny mahakasika izany ary maka ny toromarika rehetra.
Misy dokotera manam-pahaizana mijery ny sary avoakan’ny fitiliana avy eo ary manome valiny an-taratasy. Omena ilay olona manao fizahana izany sary izany ary entiny any amin’ny dokotera manaraka azy, hahafahana miroso amin’ny fitsaboana sy ny tokony hatao.
Misy sokajy 5 ny valin’ny fitiliana
Azo sokajiana 5 ny valin’ny mammographie. Hatreo amin’ny karazany fahatelo no tsy misy atahorana saingy mila fanaraha-maso akaiky. Manomboka eo amin’ny sokajy faha-4 miakatra no azo sokajiana ho homamiadan’ny nono. Mbola iarahana amin’ny sampandraharaha samihafa ny fanamarinana izany ka hirosoana amin’ny fitsaboana.
Matetika miseho amin’ny alalan’ny fivontosana mitombo eo amin’ny nono, mety ho vetivety ary tokony ho tsapan’ny vehivavy, mety ho menamena na misy fery, mety hisy atoditarimo ao ambany helika… arakaraka ny fivoaran’ny aretina, mety ho sempotra…
Tsy voatery miandry fivontosana anefa vao manao fitiliana.
Mandritra ny volana oktobra, ao anatin’ny “octobre rose”, dia misy ny fitiliana maimaimpoana amin’ny alalan’ny “mammographie”, karakarain’ny CHU Andohatapenaka. Misitraka izany indrindra ireo efa nahazo taratasy avy amin’ny dokotera fa mila manao fitiliana.
Tatiana A




