ACMIL-Andiany faha- 44 : 30 mianadahy hanatevin-daharana ny Tafika

30 mianadahy tamin’ireo mpianatra andiany mivantana faha-44 nivoaka avy eo anivon’ny Akademia Miaramila Antsirabe (Acmil), hanatevin-daharana ny Tafika Malagasy, araka ny fitsinjarana azy ireo, tetsy Ampahibe, omaly. 58 mianadahy izy ireo no nahavita fiofanana nandritra ny roa taona sy efa-bolana teo anivon’ny sekoly. Ho an’ireo 28 mianadahy kosa, hanatevin-daharana ny zandarimariam-pirenana. Ha­na­raka fiofanana manokana mandritra ny heritaona ao amin’ny sekolin’ny zandarimaria ao Moramanga, noho izany, ireto farany ka hanao ny asany aorian’izay. “Iray ihany ny adidy miandry azy 58 mianadahy ireo dia ny fampanjakana ny fandriampahalemana”, hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa. Nanome toromarika azy 58 mianadahy hanaraka hatrany ny lamina rehetra eo anivon’ny Foloalindahy ny minisitra. Marihina fa misalotra ny anarana “Amiraly Didier Ratsiraka”, ireto andiany mivantana faha-44 ireto.

Tsiferana R.

Partager sur: