Olana sosialy eny amin’ny Onivesite : mangataka vahaolana anatin’ ny 72 ora ny mpianatra

Miantso ny fanjakana hitondra vahaolana amin’ny olana sosialy mihatra aminy ny mpianatra amin’izao fotoana izao. Tsy mbola mitohy ny fampianarana.

Manome 72 ora ny fitondrana hamahana ireo olana samihafa miseho eny amin’ny oniversiten’ Antananarivo ny fikambanan’ ny mpianatra amin’ny faritra 23, araka ny fanambarana nataon’izy ireo, omaly. Sin­ganiny amin’izany ny trano vaovao R+1 roa naorina eny Ankatso II ary nampanantenaina fa hipetrahan’ny mpianatra. Mangataka ny fahazoan-dalana hifindra ao ny mpianatra ka tokony hokarakaraina ny antontan-taratasy mifandraika amin’izay. Maika koa ny hampidirana ny jiro sy ny rano ao. Mihisatra koa ny fanamboarana ny tranon’ny mpianatra may eny Vonto­vorona sy Ankatso ka miantso ny tomponandraikitra izy ireo.

Mbola olana naroson’ny mpianatra koa ny fotodrafitrasa efa tranainy ka mitera-doza ho azy ireo. Tsy mbola mandry fahalemana ny cite U ka mitaky ny hijerena akaiky izany ny mpianatra.

Mitarazoka ny hetsiky ny mpampianatra mpikaroka (Seces) ka miangavy ny tomponandraikitra ny mpianatra ny tokony hamahana ny olana satria tapaka ela loatra ny fampianarana. Ny “franchise universitaire” rahateo tsy voahaja fa miditra eny amin’ny faritry ny oniversite ny mpitandro filaminana misambotra. Ny mpampianatra mpikaroka etsy andaniny nanamafy fa miankina amin’ny famalian’ny fanjakana ny fitakiana ny firosoana amin’ny fampianarana sy ny fikarohana indray.
Hetsika faharoa nataon’ny mpianatra izao, hanairana ny fanjakana amin’ny zava-misy manahirana azy ireo, taorian’ ny fangatahana ny fiverenan’ ny fampianarana.

Vonjy A.

Partager sur: