Voasoroka ny fifandonana teo amin’ireo samy sivily manaraka ny hetsiky ny kandidà 11 andaniny sy ireo mpomba ny laharana fahatelo ankilany, teny Tanjombato, omaly. Samy nanainga teo amin’ny kaominina Tanjombato avokoa na ny hetsi-bahoaka notarihin’ny kandidà 11 na ny fampielezan-kevitra nataon’ny solontenan’ny kandidà laharana fahatelo. Niatrana teny an-toerana anefa ny mpitandro filaminana, toy ny polisy sy ny zandary ary ny miaramila. Nifampiantsy ny mpomba ny andaniny sy ny ankilany saingy tsy nisy ny fifampikasihan-tanana noho ny fandrindran’ny mpitandro filaminana. Nanomboka teo amin’ny Jirama Soanirena no nanaraka ny mpomba ny kandidà miisa 11 ireo mpanohana ny laharana fahatelo. Nijanona teo amin’ny “rond point” Anosy nanoloana ny Antenimieram-pirenena ny roa tonta. Nankasitraka manokana ny mpitandro filaminana noho ny fanaovana ny asany ara-dalàna ny mpomba ny kandidà 11. Tetsy andaniny, nampiaka-peo ireo mpanohana ny laharana fahatelo fa tsy mila korontana izy ireo ary mitaky ny hisian’ny fifidianana. Samy naneho ny fanohanany ireo kandidà hironany ny andaniny sy ny ankilany. Nilamina hatrany anefa ny toe-draharaha. Namarana ny hetsika nanoloana ny kianja Barea kosa ireo kandidà 11 sy ny mpanara-dia azy. Hitohy hatrany ny hetsika raha ny fanamafisan’izy ireo.
Tsiferana R/Lin/ Fitia




