Mitentina 111 500 dolara (507 tapitrisa Ar) ny fampitaovana avy amin’ny USAID, ho an’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka. Solosaina avolenta sy teknolojia fampitana torohay manara-penitra no natolotra tamin’izany.
“Ireo fitaovana ireo dia hanatsara ny fahavononan’ny minisitera hiatrika ny olan’ny fahasalamam-bahoaka sy hanatsara ny kalitaon’ny tolotra ara-pahasalamana ho an’ny vahoaka malagasy”, hoy i Sophia Brewer, talen’ny biraon’ny fahasalamana sy ny mponina ary ny fanjarian-tsakafo eo anivon’ny USAID/Madagasikara.
Ny tetikasa USAID ACCESS no nanatontosa ny fampitaovana izay antenaina hanova ny rafitra fampitana torohay ara-pahasalamana.
Ny fanohanana ny minisiteran’ny Fahasalamana mba hiroso amin’ny fampiasana teknolojia manaraka ny toetrandro. Miaraka amin’izany koa ny fampiasana ny “application CommCare”.
Io “application” ampiasana amin’ny finday io dia manampy ireo mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony amin’ny fanatsarana ny tolotra sy ny fanaovana tatitra ara-pahasalamana.
Hanampy amin’ny fahafahana mampiasa ny ACCESS-University izay tohanan’ny USAID koa ity fampitaovana ity. Manome fahalalana tsy tapaka ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana ihany koa amin’ ny fanarahana fiofanana ampitain-davitra, hanamafisana hatrany ny maha matihanina azy ireo.
Tatiana A




