Oniversiten’Antananarivo : “Tsy tokony hanaiky ho fitaovana politika ny mpianatra”

Manetana ireo mpianatra namany alaim-panahy ho lasa mpikaraman’ady amin’ny resaka politika hitandrina ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra nanao fanambarana omaly.

Nanao fanambarana ny filohan’ny fikambanan’ ny mpianatra sy ireo monina eny amin’ny Cité Universitaire omaly, teny Ankatso II. Tsy hanaiky hatao fitaovana politika hampisarahana ny samy mpianatra eny amin’ny oniversite. Mana­meloka ny fampidirana hetsika politika ao anatin’ny faritry ny oniversite izy ireo ahitana ny toeram-pampianarana sy ny trano fonenana.
Tokony ho aty ivelan’ny faritry ny oniversite no manao fanehoan-kevitra ny tsirairay izay malalaka amin’ny olona hotohanana anatin’ny politika, hoy ny mpitondra teny avy any Amoron’i Mania, Andrimiary Fanevanjanahary. Tena miseho izay tranga izay amin’ny fitarihana ny mpianatra hitokona noho ny antony politika ka lasa mandrehitra afo satria heverina fa mafimafy kokoa ny tolona rehefa ny mpianatra no mitarika azy, hoy ny filohan’ny fikambanan’ny mpianatra avy any Vakinankaratra.

Efa afaka miditra amin’ ny trano R+1
Momba ny fitakiana nataon’ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny faritra 23 ny herinandro lasa teo, nisy ny fihaonana tamin’ny tomponandrikitry ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny filohan’ny fikambanana, ny fiandohan’ny herinandro teo. Tapaka fa afaka miditra mipetraka amin’ny fotodrafitrasa vaovao R+1 ireo tena sahirana amin‘ny trano fa manaiky kosa ny fepetra rehetra miaraka amin’izay. Misy rano sy jiro ny trano fa kosa tsy mbola azo ampiasaina amin’ny fandrahoana sakafo. Mitohy ny asa hahatonga ny efitrano ho azo idirana tsy ho ela fa mandra-piandry izay, miaina amin’ny zava-misy ireo mpianatra. Efa mikarakara ny antontan-taratasy mifandraika amin’izany ireo vonona hiditra amin’ny trano vaovao.

Vonjy A.

Partager sur: