Nandray anjara tamin’ny atrikasa mahakasika ny Tetikasa momba ny fanamafisana ny fahaiza-miatrika ny loza na RDRM-OI i Madagasikara, ny herinandro teo, tany amin’ny Nosy La Réunion. Mpandray anjara tamin’izany ireo firenena 5 ao anatin’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina.
Nojerena ny fomba hametrahana ny vovonam-paritra miompana amin’ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Nampivondrona ireo mpandray anjara miisa 300 misehatra amin’ny fahalalana sy ny fitantanana ny loza ary nifampizarana traikefa ny fihaonana.
Anisan’ny nandraisan’i Madagasikara anjara ny lohahevitra miresaka ny feon’ny vondrom-piarahamonina ao amin’ireo Nosy anatin’ny ranomasimbe Indianina. Eo koa ny fiaraha-miasa isam-paritra sy ny fomba hampihenana ny loza.
Traikefa azo nandritra ny fiatrehana ny rivodoza Freddy no nentina tamin’izany, niaraka tamin’ny fiatrehana ny hamehana sy ny fanampiana ny vahoaka hiarina aorian’ny fandalovan’ny loza.
Nifanindran-dalana tamin’ny fanamarihan’ny Nosy La Réunion ny fankalazana ny Androm-pirenena ho an’ny fampiatiana ny fotoana nanaovana ny atrikasa.
Tatiana A




