Vita ny roa volana voalohany: “Tsapa fa ambany ny fari-pahaizan’ny mpianatra”

Anatin’ny fanadinana fitsapana voalohany amin’ny taom-pianarana ny mpianatra amin’izao fotoana izao. Ambany ny fari-pahaizan’ny ankizy hoy ny tomban’ny mpanabe.

Hifarana anio ny roa volana voalohany amin’ny taom-pianarana 2023-2024 fa hiditra amin’ny fiatoana herinandro ny mpianatra sy ny mpanabe. Nisy ny fanadinana hitsapana ny fari-pahaizan’ny mpianatra tamin’ity herinandro ity. Amin’ny ankapobeny, eo ho eo ihany ny lentan’ny fari-pahaizana ho an’ny EPP miankina amin’ny fanjakana. Tsy maintsy misy hatrany ny ankizy somary taraiky raha mitaha amin’ny namany fa raha tombanana amin’ny ankapobeny, azo antenaina ny vokatry ny fitsapana voalohany, hoy ny talen’ny EPP eto an-drenivohitra. Tsy niova loatra tamin’ny taon-dasa ny isan’ny mpianatra nisoratra anarana satria efa nisy EPP manara-penitra iray mandray ny ankizy amin’ny fokontany manodidina. Efa nisitraka “caisse école” koa ny EPP nosahaniny hividianana ireo kojakoja hampandehanana ny fampianarana.

Hiroso amin’ny fiatoana koa ny sekoly tsy miankina, nisy kosa ireo sekoly miankina amin’ny finoana hanohy ihany ny fampianarana rehefa nitafa tamin’ny ray aman-dreny. Manao fanadinana fitsapana ny kilasy rehetra amin’ity herinandro ity. Momba ny tahan’ ny fidirana an-tsekoly, tsy nisy fiovana fa mbola vitsy ny isan’ny mpianatra nirotsaka an-dakilasy. Miandry ny fidirana amin’ny roa volana fahatelo ny ankamaroan’ny mpianatra indrindra ireo mamerin-taona. Tsy vitsy koa ireo tsy manaraka fampianarana mahazatra fa mikaroka ireo “cours” fanomanana fanadinana fotsiny.
Mbola nanao “remise à niveau” aloha ny mpanabe ho an’ny iray volana taorian’ny fidirana. Tsapa fa tena ambany fari-pahaizan’ny ankizy ka ho sarotra ny andraikitry ny mpampianatra indrindra ho an’ireo hiatrika fanadinam-panjakana.

Vonjy

Partager sur: