Seces sy mpianatra: “Tsy hisy ny taona fotsy”

Nihaona ny mpitarika ny Seces, sampana Antananarivo, sy ny solontenan’ny mpianatra amin’ny oniversiten’Antananarivo, nitafa momba ny tohin’ny hetsika sy ny tontolon’ny fampianarana ambony. Voaresaka manokana ny tsy hisian’ny taona fotsy eny Ankatso satria samy tsy mahita tombontsoa amin’izany ny mpianatra sy ny mpampianatra mpikaroka. Hiroso amin’ny fandoavana ny saran’ny ora fanampiny sy ny indemnité fikarohana ny fanjakana fa sonian’ny minisitra iray amin’ny dimy tokony hanao izany no andrasana sisa. Noheverina fa vita omaly izay sonia izay ka misy tsirim-panantenana ihany ny hitohizan’ny taom-pianarana.
Ho an’ny fakiolten’ny Siansa manokana, mbola ny 50% amin’ny fandaharam-pianarana ihany no tontosa hatramin’izao. Tsy afapo izahay raha tsy miverina ny fampianarana satria izay no takina, hoy ny nambaran’ny solontenan’ny mpianatra.
Miandry ny fampanantenan’ny fanjakana amin’ny fanefana ireo karama sy ny zo hafa ny rehetra. Efa-bolana no niato ny fampianarana noho ny hetsika fitakiana teny amin’ny oniversiten’Antananarivo.

Vonjy

Partager sur: