Mpamonjy voina : manentana ny mponina hisoroka ny loza

Nahitana trangana firehetana misesisesy tato anatin’ny fari-piadidian’ny Tanànan’An­ta­nanarivo Renivohitra tato ho ato. Anisan’izany, ny tetsy Mahamasina, Behoririka… vao tamin’ity herinandro ity avokoa. Manoloana izany, manao antso avo amin’ny mponin’Antananarivo, isam-batan’olona, isan-tokantrano, isaky ny toeram-piasana ny Vondron’ny sampana mpamonjy voina. Anisan’izany ny handraisana fepetra tandrify ny tsirairay amin’ny fisorohana ny loza mety hitranga. “Tokony hohamarinina tsara ny ao an-trano, ireo zavatra mety hahatonga firehetana alohan’ny handaozana ny tokantrano sy ny toeram-piasana. Toy ny afon-tsaribao, afon-dabozia, ny herinaratra….”, hoy ny lehiben’ny Vondrona sampana mpamonjy voina, ny kolonely Razafimanahaka Tiana. Tsara ny miantso haingana ny laharana 118 raha vantany vao misy ny firehetana alohan’ny hamonoana ny afo mba hanamorana ny asa famonjena. Nohamafisiny hatrany fa tokony hanamafy sahady ny tafontrano, hijery ny fivoahan’ny rano ny rehetra satria efa ho avy ny vanim-potoan’ny rivodoza. “Mety hiteraka fihotsahan’ny tany ny tsy fisian’ny lalan-drano”, hoy hatrany izy. Tao anatin’ny telo taona sy tapany, nampiditra fitaovana vaovao ny teo anivon’ny sampana mpamponjy voina hoentina hamonjena voina. “Maro ihany koa ny fiofanana sy ny fampitomboana ny isan’ireo mpamonjy voina, midika fahavononana izany rehetra izany”, hoy hatrany izy.

Mino

Partager sur: