Fiatrehana ny vanim-potoanan’ny rivodoza : hamafisina ny asa rehetra fiomanana mialoha

Vinavinaina ho ny volana janoary hatramin’ny avrily no hitranga ny rivodoza mety hahakasika an’i Madagasikara. Mety hisy avokoa na avy ao amin’ny ranomasimbe Indiana na avy ao amin’ny lakandranon’i Mozambika.

Ho fiomanana amin’ny fiatrehana ny vanim-potoanan’ny fahavaratra mitondra rivodoza sy miteraka tondradrano matetika, nohavaozina sy nohatsaraina ny drafitrasa mifandraika amin’izany mandritra ny roa andro, eny Ankorondrano. Isan-taona ny fanavaozana satria miovaova ny toetr’andro ka misy hatrany ny zavatra havaozina. « Marefo amin’ny fiovan’ny toetr’andro i Mada­gasikara ary andalovan’ny rivodoza isan-taona ka mitondra traikefa azo raisina hanatsarana ny asa amin’ny ho avy », hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny kolonely Andriakaja Elack Olivier. Tao anatin’ny telo taona farany, nohamafisina ny fiomanana ary hita taratra ny vokatra fa nihena ny fahavoazana noho ny fandalovan’ny rivodoza sy ny fisian’ny tondradrano. Hitohy ny fiomanana, ohatra amin’ny fametrahana mialoha ny sakafo sy ny fitaovana ilaina rehefa tonga ny voina, mahafantatra ny andraikiny ny mpiantsehatra rehetra manamora ny fandrindrana eny ifotony. Aorian’ny famoahan’ny Malagasy teknisianina mpamantatra ny toetry ny andro momba ny vinavinan’ny taom-pahavaratra no hanavaozana ny drafitrasa fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Hanamarika ny fotoanan’ny rivodoza ny tranga El Nino ary tombanana hisedra rivodoza roa ka hatramin’ny efatra isika mandritra ny taom-pahavaratra. Misy fiantraikany amin’ny fiainan’ny mponina ny fahatsaran’ny fiomanana rehetra. Nanohana ny atrikasa eny Ankorondrano ny Pnud sy ny OCHA avy amin’ny Firenena mikambana.

Ilaina ny drafitrasa fitantanana afo
Ankoatra ny drafitrasa fitantanana ny rivodoza sy ny tondradrano, mila mamolavola drafitrasa fitantanana ny afo sy ny doro tanety koa i Madagasikara satria tranga mahazo vahana eto amintsika sy maneran-tany izany fisehoana afo izany.

Vonjy A.

Partager sur: