Manohana ny minisiteran’ ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny Unesco, amin’ny alalan’ny fandaharanasany, ao anatin’ ny fampiharana ny politikam-pirenena momba ny asa sy ny fanofanana arakasa. Misy atrikasa fanofanana ireo mpampiofana ho « agent en système solaire photovoltaïque », « installateur en système solaire photovoltaïque », « maintenance en système solaire photovoltaïque », nanomboka ny alatsinainy teo hatramin’ny 10 novambra ho avy izao eny amin’ny Luxmina Training Institute Ivandry.
Mpampiofana 15 no manaraka izany, ny valo avy ao amin’ny CFPR sy LTP Vatomandry, efatra avy ao amin’ny CFPR Ranopiso sy LTP any Taolagnaro ary telo avy ao amin’ny DFPEF. Mandrafitra ny fiofanana ny hevitra sy fifehezana ny asa, ny pedagojia ary ny fanatanterahana sy fanombanana ara-teknika ny mpiofana.
Tanjona ny hampivelatra ny fahaiza-manao ara-teknika sy arakasan’ireo mpampiofana amin’ny famoronana, ny famolavolana ary ny fampiharana ny fiofanana amin’ny asa voafaritra, amin’ny alalan’ny torolalana momba ny vokatra.
« Zava-dehibe ny kalitaon’ny fanofanana ireo mpampiofana ary manamari ka ny fahaiza-manao sy ny traikefa ananan’ny Luxmina izay ivontoeram-piofanana mifototra amin’ny angovo azo havaozina », hoy ny minisitry ny Fampianarana teknika.
Vonjy A.




