Aorian’ny telo taona nianarana : tokony hahay hanoratra, hamaky teny sy hikajy ny ankizy

Hisitraka tohana avy amin’ny mpamatsy vola ny fanabeazana i Madagasikara, ho an’ny taona manaraka. Maika ny fametrahana asa azo tanterahina hipaka mivantana any amin’ny mpianatra.

Voafidy hisitraka ny famatsiam-bola tohana avy amin’ny Vondron’ny mpanohana ny fanabeazana (GPE) i Madagasikara. Aha­fahana mahazo izany, tsy maintsy mamolavola ny asa hatao mandritra ny dimy taona manaraka ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana ny fanjakana malagasy. Tokony hitondra fiantraikany mivantana amin’ny mpianatra ny asa fanavaozana. “Niainga avy amin’ny valin’ny fanadihadiana efa vita mahakasika ny olana samihafa momba ny fanabeazana ny famaritana ny asa ary nafantoka amin’ny zavatra atao, tanterahina ao anatin’ny dimy taona ho an’ny EPP sy ny kolejy”, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, Rabenandrasana Théo­phil, ny faran’ny herinandro teo. Nisy ny fanaovana sonia fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra rehetra ho an’ny fanabeazana ahitana ny mpamatsy vola, firaisamonina sivily, sendikà, sehatra tsy miankina… momba ny fanavaozana hatao anatin’ny dimy taona.

Ho an’ny ambaratonga voalohany, rehefa mahavita ny telo taona voalohany ny mpianatra, tokony ho afaka mamaky teny sy manoratra ary mikajy sady anisan’ny asa tena hamafisina izay. Homena fitaovana sy boky izy ireo ahafahana mahatratra ny tanjona. Hampiana koa ny ray aman-dreny sahirana hampiakatra ny tahan’ny fampidirana an-tsekoly. Tsy maintsy hofanina ny mpanabe ary hotsinjaraina ara-drariny ka hahazo mpampianatra koa any ambanivohitra lavitra.
Asa telo lehibe no hotanterahina ao anatin’ny dimy taona manaraka, iarahan’ny mpisehatra rehetra. Tanjona ny hanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana ary voasahana daholo ny mpianatra rehetra an-tanàn-dehibe sy any ambanivohitra.

Vonjy A.

Partager sur: