Ambalatavoahangy: maty ilay voafonja tsy ampy sakafo

Tsy mbola maina akory ny ravina nihinana, indro sahady fa namoy ny ainy i François, ilay raim-pianakaviana voafonja mamita sazy ao amin’ny fonjaben’ Ambalatavoahangy. Voaheloka dimy taona am-ponja izy ka ny roa taona sisa tsy vitany. Narary vokatry ny tsy fahampian-tsakafo ity lehilahy ity. Efa nitondra ny fitarainany hanaovana tolo-tanana i Francois, nandritra ny fandalovan’ny filohan’ny fikambanana mpanao asa soa iray tao amin’ny hopitaly ary nalain’ ity farany sary izy ka nataony tamin’ny tambajotran-tserasera fa misy voafonja mangataka tolo-tanana fa sady marary no tsy ampy sakafo.
Nahatezitra ny fandraharahanan’ny fonja izay tranga izay, nitarika fitoriana ka niafara hatrany amin’ny fampanoavana. Nohamafisin’ ilay voafonja tamin’ny fahavelony raha nitaraina ny mahazo ireo ao anatin’ny fonja izy fa : “mangahazo maina iray no anjara sakafon’ny voafonja iray raha tsy manana mpanatitra sakafo. Izay no mahazo azy ka nangatahany fanampiana”. Amin’ny ankapobeny, efa tsikerain’ny rafi-piarahamonina ny tsy fisian’ny fanajana ny zo maha olona an’ ireo voafonja ao anatin’ny fonjan’ Ambalatavoahangy sy Vatomandry izay ahitana tsy fanajana ny zon’ny voafonja.
Betsaka ny fonja misedra olana ara-tsakafo noho ny tsy fahampian’ny hoenti-manana hikarakarana izany.

Sajo

Partager sur: