An-jatony ny olona liana tonga nanatrika ny atrikasa momba ny fanarenana “psychosocial” nandritra ny hateloana teny Faravohitra, tamin’ity herinandro ity.
Nikarakara ny atrikasa ny association Psy-kôzy misehatra amin’ ny fanatsarana ny fikarakarana ny fahasalaman’ny saina eto Madagasikara ary hamerina ny hasina maha olona eo amin’ireo olona itrangany. Nizara enina ny atrikasa nandraisan’ny mpiasan’ny fahasalamana momba ny saina sy ny olon-tsotra anjara nifototra tamin’ny lohahevitra enina samihafa.
“Entretien motivationnel”, niarahana tamin’ny docteur Vérane Breynaert, psychiatre avy any Lyon, sy Dr Razafindralambo Kiady. Momba ny fitondrana resaka sy ny fandraisana an-tanana ahafahana mitazona ny risi-po ao anatin’ny fitsaboana ny lohahevitra. Faharoa ny fifampizarana momba ny lohahevitra “Pair-aidante”, niarahana tamin’i Camille Niard sy ny mpitsabo Abdoul Zaitony Masy Samosia ary ny mpitsabo Kalotiana Nourah Dora Abdoull. Ny olona miaina fikorontanana ara-tsaina manampy ireo izay miaina tranga toa azy fa nanaraka fampiofanana teny anivon’ny oniversite mahakasika izany no nisongadina teto.
Nahasarika olona ny fizaran’ny professeur Nicolas Franck
Tena nahaliana ny mpanatrika ny atrikasa momba ny lohahevitra «Principes et outils de la réhabilitation psychosociale», niarahana tamin’ny Professeur Nicolas Franck, psychiatre sady mpampianatra any amin’ny Université any Lyon. Izy rahateo no mpiandraikitra ny Centre de ressource de réhabilitation psychosociale any Lyon. Nanotrona azy tamin’ny fampiofanana nataony ny Dr Fenohasina Tojo Jean Felicien. Natokana ho an’ny mpisehatra amin’ny fahasalamana ny lohahevitra Bref izay fampiofanana enti-mampianatra sy mampiasa ho tombontsoan’ny marary sy ny olona raisina an-tanana.
Hatramin’izao, mampiofana ireo mpikambana ao aminy sy mampahafantatra ny mponina malagasy momba ny fanarenana «psychosocial» ny association Psy-Kôzy Madagascar. Manao antso avo ho an’ireo malala-tanana sy ireo mpamatsy vola hanome tolo-tanana ara-bola ho fananganana ny foibe fanarenana «psychosocial» eto Madagasikara ho fanampiana ny fandraisana an-tanana ireo olona manana fikorontanana ara-tsaina. Manasa ny rehetra ny fikambanana handrotsaka vola izay foy ho fanatanterahana ny tetikasa.
Vonjy A.