Nandray fahalalana momba ny fivoaran’ny niomerika mikasika ny “5G Lab” ireo mpianatra avy amin’ireo sekoly niomerika iarahan’ny orinasa Orange miasa eto Analamanga, ahitana ny EPP Ankorondrano, CEG Avaradoha, CEG Antanimena, CEG Ambohimanarina, CEG Analamahitsy ; Reverance Art School ; SMM DSF Ambohidratrimo, tamin’ity herinandro ity. Teny amin’ny “Tour Orange” Ankorondrano no nanatanterahina ny hetsika ary mpianatra 160 isan’andro no nisitraka izany.
Tamin’ny alalan’ny sahanasa “Ankiz’innov”, izay tafiditra amin’ny asa tanterahin’ny “Orange solidarité Madagascar” no nahazoana ny fizarana ho an’ny mpianatra. Mbola hitohy izany ny 22 sy ny 23 novambra ary hifarana ny 28 sy ny 29 novambra ho avy izao.
Mampivoatra ny fahalalan’ny mpianatra ny tontolo niomerika ary manampy betsaka amin’ny fandraisana lesona any an-dakilasy. An-jatony ny sekoly niomerika miparitaka manerana ny Nosy.
Vonjy




