Mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina: 20 mianadahy ireo Peace-corps nanao fihanianana

Mihatonga tsikelikely ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy any ivelany taorian’ny valanaretina covid19, nampitsoaka azy ireo. 20 mianadahy indray ireo tanora amerikanina hiasa maimaimpoana eto Madagasikara.

Ny alakamisy teo ireo 20 mianadahy mpilatsaka an-tsitrapo vaovao ame­­rikanina no nanao fihanianana teny Mantasoa, fa vonona amin’ny fandraisana anjara amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
Naharitra 10 herinandro ny fihofanana nomena azy ireo ahafahany mifehy ny fiteny sy ny fombafomba ary ny kolontsaina any amin’ireo faritra hiasany. Hiasa sy hiaina eny anivon’ny fiarahamonina malagasy izy ireo hanatsara ny fomba fambolena sy ny fanjarian-tsakafo.
Nilaza ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo, fa ny fihanianana nataon’ireo ta­nora 20 mianadahy dia manamafy ny fahavononany hisolo tena an’i Etazonia eto Ma­da­gasikara. Manamafy ny fahavononany ihany koa hiatrika fanamby izay hampitomboin’ ny fahasamihafan’ny kolon­tsa­ina. Fotoana hanararaotan’ ireo tanora amerikanina hanovana ny fiainany sy hamaritany ny hoaviny.
Miisa 52 ireo mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina miasa eto Mdagasikara ankehitriny. Efa miverina tsikelikely izy ireo taorian’ny fampodiana azy no­ho ny valanaretina roa taona la­sa izay.
Nanomboka tamin’ny tao­na 1993 no nisian’ny mpilatsaka an-tsitrapo amerikanina te­to Madagasikara. Efa nahatratra 1 574 izy ireo no niasa ho an’ny firenena ary nizara ny fahaiza-manaony tamin’ny se­ha­try ny fambolena sy ny fampianarana ary ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fa­hasalamana.
Marihina amin’ity taona ity ny faha-30 taona niasan’ny Peace-corps teto Mada­ga­si­kara. Nitondra fiovana tamin’ ny sehatra niasany izy ireny ary anisan’ny nisongadina ny eny anivon’ireo lisea hiseharany. Ny lentan’ny fahaizan’ny mpianatra sy ny fahatokisan-tenan’ny mpampianatra mahazo traikefa.

Tatiana A

Partager sur: