Rakotonjanahary Miora Irinah, 21 taona sy Rakotondramanana Ny Aina Manankaja, 20 taona, mpianatra taona fahatelo ao amin’ny ISPM no nisalotra ny diplaoma Licence, nahazo ny mention Très bien izy ireo rehefa nahazo ny naoty 19,70/20. Mahakasika ny informatika sy fifandraisana, sokajy elektronika, rafitra informatika….no nanaovan’izy ireo fanohanana ny voka-pikarohany.
Natao teny amin’ny ISPM Antsobolo ny tohan-kevitra nataon’izy ireo, tamin’ity herinandro ity. Niompana tamin’ ny «Application web de gestion de la relation client ,«Soa Mpanjifa», ny velakevitra natao.
Rindrambaiko ahafahana manamora ny fifandraisan’ny mpanjifa sy manara-maso ny fahavitrihan’ny fifandraisana ao amin’ny orinasa ny fikarohana natao.
Manamora ny asan’ny tomponandraikitry ny varotra amina orinasa ary manatsara ny traikefany izany. Mora ampiasaina rahateo ity rindrambaiko noforon’ireto mpianatra ireto.
Noforonina, araka izany, ny rindrambaiko amin’ny alalan’ny tranonkalam-pifandraisana mba hahafahan’ny mampiasa izany amin’ny fitaovana maro lafy.
Nahazoana sitraka manokana tamin’ny mpitsara ny famelabelarana sy ny fandresen-dahatra.
Nilaza Rajaomason Nantenaina, tale jeneralin’ny orinasa NSST- IT Solutions, mpandrindra tekinika sy mpanao tantsorokan’ireto tanora nahavita fianarana ireto fa mendrika izy ireo ary efa mihoatra ny lentan’ny fahaizana amin’ny diplaoma azony mihitsy raha ny voka-pikarohana nataony.
Tatiana A




