Mesupres-INSTN-AIEA: nanasongadina ny lentan’ny nokleary ireo tanora malagasy

Nankasitrahin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika ireo tanora 3 mianadahy nitondra avo ny voninahitr’i Madaga­si­ka­ra tamin’ny fifaninanana, nandritra ny fivoriambe andiany faha-67, ny “Agence internationale de l’énergie atomique” tany Vienne Autruche.
Anisan’izany Andriampa­rany Koloina Valisoa , Ia­li­nomenjanahary Radonasolo Rodier , Rakotondrasoa Ma­he­nintsoa Stelly , samy taona faha-4 ao amin’ny “Institut national des sciences et techniques nucléaires (INSTN).
Tafiditra amin’ny laharana 8 voalohany, araka izany, i Madagasikara amin’ireo firenena 70 nandray anjara tamin’ny fifaninana iraisam-pirenena momba ny fampiasana ny vokatra nokleary ho fampandrosoana .
Dokambarotra fampahafantarana ny haitao nokleary hitondra fampandrosoana ny firenena no nifaninanana, ary natao tamin’ny teny anglisy. Tafiditra tao anatin’ireo 08 tsara indrindra tamin’ireo solontenan’ny firenena Afri­kana 70 nandray anjara ny solotena malagasy .
Nandresy lahatra izy ireo fa ny fampiharana ny teknika nokleary dia anisany mamaha ny olana tsosialy sy toe-karena eto Madagasikara .
Noporofoiny tamin’ny famelabelarana nataony ny maha loharanon’angovo ny nokleary, ahafahana mitsabo, azo ampiasana ho fanatsarana ny fambolena, fikajiana ny tontolo iainana…

Tatiana A

Partager sur: