Tsy ho taona fotsy ny taom-pianarana 2022-2023 satria hiroso amin’ny famitana ny taom-pianarana ny mpampianatra mpikaroka ho fitsinjovana ny mpianatra.
Niandry hatrany ny fampanantenana sy ny ezaka nataon’ny fitondrana ny sendikàn’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, Seces Sampana Antananarivo. Niala nenina, nanao ny adidiny amin’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa tamin’ny alalan’ny fitakiana ireo zo sy hasin’ny mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra izy ireo, araka ny fanambarany ny faran’ny herinandro teo. Ankehitriny, mahatsapa ny Seces fa tsy misy fahavononana hamaly ny filan’ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa akory fa fandrirarirana sy fandaniana ny fotoanan’ny mpampianatra no nataon’ny fitondrana misy. Voalazany fa fitondrana nisafidy ny hanao zinona sy anjorom-bala ny fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa no hita taratra.
Etsy andaniny, ny Seces Sampana Antananarivo anefa tsy afaka hiandry intsony na hanao ankilabao ny zanaka malagasy. Noho izany, ho fitsinjovana ny taranaka, mitohy ary tsy mijanona ny tolona hitakina amin’ny endriny hafa ny zo sy ny hasina. Tapaka kosa fa hamita ny taom-pianarana 2022-2023, izay tsy ho vita raha tsy roapolo herinandro eo fara fahakeliny ny Seces Sampana Antananarivo. Takina ny fandraisan’ny solontenan’ny birao nasionalin’ny Seces miisa roa na telo anjara amin’ny fihaonamben’ireo filohan’ny oniversite (CPU) handrafetana ny tetiandrom-pampianarana. Mitaky ny hampitsaharana tanteraka ireo fandrahonana sy antsonjay atao amin’ireo mpitarika ny Seces Sampana Antananarivo izay manatanteraka ny fanapahan-kevitry ny fivoriambe.
Vonjy A.




