Ho fanatanterahana ny asa tohanan’ny FCE eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, nohamafisina ny fampivelarana ny fahaiza-manaon’ireo mpanazatra. Sehatrasa 10, laharam-pahamehana, no niompanan’ny fanofanana, izay natao tany Farafangana.
Nisitraka ny fanamafisam-pahaiza-manao ny mpampiofana sy mpampianatra any amin’ireo ivontoerana miandraikitra ny fizahantany, ny fandraisam-bahiny, ny toeram-pisakafoana. Nahazo ny anjarany ihany koa ny mpanao mofomamy, ny asa fanorenan-trano sy ny asa vaventy, ny mpikirakira ny herinaratra any anivon’ny tokantrano. Ankoatra ireo, nifampizara traikefa sy nanovo fahalalana vaovao ny mpiompy akoho. Teo amin’ny sehatry ny indostria kosa, nahazo ny anjarany ireo mpametaka fitaovana amin’ny angovo azo avaozina na ny angovo mandeha amin’ny herin’ny masoandro.
Mialoha ny fiofanana, efa nisy ny fifampizarana fahaiza-manao teo amin’ireo mpiantsehatra amin’ny lalam-piofanana voatanisa ireo. Nisy koa ny dingana vita mikendry ny hifehezana ny teknikam-panabeazana sy fampianarana olon-dehibe mifanaraka amin’izany.
Tanjon’ny atrikasa ny ahazoana mpampiofana mahafehy ny fampivoarana ny fandaharam-panofanana. Manginy fotsiny ny fifehezana ny paikady hoenti-miasa sy ny fomba hoenti-mampianatra. Manampy izany ny fampidirana ny kolontsaina fandraharahana amin’ny sehatry ny fiofanana matihanina.
Vonjy




