Natao ny sabotsy teo, tetsy Analakely, ny fametrahana ny filoha vaovao, Rabemananjara Joseph Elire, hitarika indray ny fikambanan’ny zanak’i Toamasina (Fizato), mandritra ny 3 taona. Manamafy ny fisiany ny fikambanana mba ho hery fampandrosoana, hidinika amin’ny fanjakana, hitondra tolo-kevitra hamahana ny olana misy any amin’iny faritany iny. Ivondronan’ny faritra Analanjirofo, Atsinanana, sy Alaotra Mangoro, ary ny faritra vaovao heverina hitsangana, toa an’Ambatosoa ny Fizato.
“ Tanjona ny hampisy firaisan-kina ny zanak’i Toamasina ary hanambatra ny hery mihitsy hitondra fampandrosoana”, hoy ny ben’ny Tanànan’i Toamasina, Rakotonirina Nantenaina, anisan’ny nampifoha indray ny fikambanana.
Manan-karena ny faritanin’i Toamasina toy ny harena an-kibon’ny tany, ny vokatra fanondrana, ny voka-bary sy ireo fotodrafitrasa goavana toy ny seranan-tsambo… Tsy mifandraika anefa ny fandrosoan’ny seranana sy ny kaominina misy azy ka mila harindra izany.
“Mahavelombolo ny vina napetraky ny filohan’ny Fizato ary raha ireo zanak’i Toamasina efa manana andraikitra ambony eto amin’ny firenena ireo no mihetsika dia handroso ny faritanin’i Toamasina”, hoy ny avy amin’ny Andriambo, tarihin-dRajaonarivelo Pierrot.
Tatiana A




