Ankoatra ny gripa miparitaka, mamely ny ankizy ihany koa ny aretina sohika. Fotoana mampihetsika indrindra ny aretina izao raha ny fanazavan’ny dokotera. Maina tanteraka ny rivotra sady maloto ka mampihetsika ny aretina. Eo koa ny fotoana mampamelana ny voninkazo ka mampiparitaka ny vovobony izay betsaka no tsy mahazaka azy. Manginy fotsiny ny fiakaran’ ny setroky ny doro tanety mandoto ny rivotra.
Mikoha-maina, sempotra, tsy mahazo aina ny ankizy vokatr’ izany. Tsy tokony hiandry ela ny ray aman-dreny rehefa mikohoka ny zaza na miaina amin’ny vava, tsy mahavita misintona rivotra amin’ny orona fa tokony hanatona dokotera haingana hitsapana ny tratrany.
Amin’ny alalan’ny fitsapana no hahafantarana fa sempotra mila fikarakarana manokana ilay zaza na tsentsina vokatry ny sery fotsiny ihany, raha ny fanazavan’ny dokotera hatrany.
Voatery miditra hopitaly mihitsy ny zaza rehefa hita fa tery loatra ny tratrany. Na ny aretina gripa miparitaka io aza dia miitatra any amin’ny fahasemporan’ny zaza rehefa tsy voatsabo haingana fa variana manao dokotera tena any an-trano.
Tatiana A




