Ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro : tetikasa 26 novatsin’ny Frantsay 750 000 euros

Natomboka ny herinandro teo ny tetikasa 26 nentin’ireo fikambanana avy amin’ny firaisamonim-pirenena malagasy hiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nahazo tohana ara-bola avy amin’ny masoi­vohon’i Frantsa, mitentina 750 000 euros izy ireo. Na­hazo fiofanana ireo fikambanana ireo nandritra ny herinandro manontolo.
Misy ny fanamafisana ny tambajotra iraisana sy ny fifampizarana fahaiza-manao mialohan’ny tena hirotsahana an-tsehatra any amin’ireo faritra 26 mandritra ny 12 volana anaovana ny tetikasa.
Tafiditra ao anatin’ny tahirim-bola Piscca izao fanohanana izao. Mifototra indrindra amin’ny fampiatiana ny vehivavy mandray anjara manoloana ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny voka-dratsiny izany.
Nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy no nanambaran’ny masoivohon’i Frantsa miasa sy monina eto Madagasikara, Arnaud Guil­lois, tamin’ireo solontenan’ny fikambanana 60 tany ho any izay mifaninana fa ny firenena frantsay dia maneho hatrany ny finiavana hanohana ny firaisamonim-pirenena malagasy.
Mahazo tombony mano­kana ao anatin’ny tetikasa ireo vehivavy sy ny ankizivavy izay heverina fa marefo kokoa manoloana ny voka-dratsy ateraky ny fiovaovan’ny toetr’ andro. Ireo vehivavy sy an­kizy koa no tena mpandray ajara mivantana ao anatin’ izany tolona izany.

Tatiana A

Partager sur: