20 isan-taona ny tetikasa voafantina avy amin’ny tanora miainga amin’ny olana tsapany eny anivon’ny fiarahamonina ka navadika ho asa maharitra mamaha ilay olana, nomena ny anarana Vikina. Vahaolana amin’ny lohahevitra efatra no afaka mifaninana ka mbola mandalo sivana ny tetikasa voaray rehetra. Fitantanana mahomby, fiovan’ny toetr’andro, famoronana asa mendrika, tontolo iainana no fototra iaingan’ny tetikasa hisarihana ny tanora 18-30 taona handray andraikitra eny anivon’ny fiarahamonina. Tanjona ny hahatonga ilay tetikasa ho anto-piveloman’ireo tanora namolavola azy miaraka amin’ny tohan’ny mpiray ombon’antoka sy ny Firenena mikambana, hoy ny tomponandraikitry ny Maison de l’entreprenariat.
Efa nisokatra ny 6 desambra lasa teo ary hifarana ny 6 janoary 2024 ny fandraisana ny fisoratana anarana amin’ny rohy https://bit.ly/VikinaFisoratanaAnarana.
Mahazo tohana ara-bola sy teknika avy amin’ny fandaharanasa Vikina ny tetikasa voafidy mandra-pahaleotenany tanteraka. Tanjona hatramin’ny taona 2030, hahaleo tena tanteraka ny 80% amin’ny tanora hotohanana.
Vonjy




