Notanterahina tany Toliara, ny herinandro lasa teo, ny atrikasa famolavolana ny fitaovana ara-kajy mirindra hanamorana ny fandrindrana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza eto Madagasikara. Nandray anjara ny BNGRC sy ny mpiara-miombon’antoka aminy. Nodinihina ny lohahevitra momba ny fampitaovana sy ny rojom-pamatsiana ao anatin’ny hamehana. Efa nisy ny zava-bita taorian’ny lamina nokarakaraina tany Antsirabe, ny taona 2022. Firosoana amin’ny dingana manaraka tokony harahina ny atrikasa tao Toliara. Namolavolana lasitra ahafahana miroso amin’ny fametrahana ivom-pampianarana ampitain-davitra momba ny fampitaovana sy ny rojom-pamatsiana anatin’ny hamehana.
Tapaka nandritra ny atrikasa ny famaritana ireo singa mandrafitra ny sampana fampitaovana sy ny rojom-pamatsiana ao anatin’ny hamehana. Telo ny singa nisongadina, fananganana sarin-tany hanehoan’ireo mpiantsehatra rehetra eo amin’ny rafitra vonjy taitra: Croix Rouge Malagasy, skoto, ireo mpilatsaka an-tsitrapo, ny mpamonjy voina. Eo koa ny fametrahana ivom-pampianarana sy fahalalana ampitain-davitra momba ny fampitaovana sy ny rojom-pamatsiana ao anatin’ny hamehana. Farany, ny fametrahana fanaraha-maso niomerika hanamorana ny fitantanana ny sampana fampitaovana sy ny rojom-pamatsiana ao anatin’ny hamehana.
Vonjy




